FARAN’NY TAONA 2005

Kabarin'ny Filoha Marc Ravalomanana

Ry vahoaka malagasy,

Mivalona hatreo ny 365 andron’ny taona 2005, koa arahabaina tatry ny farany. Tonga kosa ny taona vaovao, koa arahabaina tratry ny taona 2006 ry Vahoaka Malagasy tsy vaky volo manerana ny Nosy sy ianareo havana aman-tsakaiza any andafin’ny riaka ary ianareo vahiny miara-monina aminay eto Madagasikara. Ho taona henin-kaja sy henim-boninahitra anie ity taona 2006 ity.

Mitodika aminareo Ray sy Renim-pianakaviana aho. Ianareo no vovonana hiadian’ny lohan’ny fianakaviana. Koa mampahery sy mirary soa ho anareo amin’ny andraikitra mankadiry iantsorohanareo aho. Tsapako ny ahiahy sy ny tebiteby ary ny adin-tsainareo Ray aman-dReny miatrika fahasairanana andavanandro sy ny vidim-piainana. Iaraha-mahalala anefa fa ny vidin’ny solika izay tsy mitsaha-mitombo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no mahatonga izany. Na izany kosa aza dia tsy maintsy hitady vahaolana isika.

Mitodika aminareo zandry zanaka isan-tokantrano aho. Maro aminareo tanora no mbola miray trano amin’ny Ray aman-dReninareo na dia efa tonga taona aza. Kanefa ampirisihina ianareo mba handray an-tànana ny fiainanareo. Koa na eo aza ny hamafin’ny fiainana dia mahereza. Aza mety ataon’ny olona na ny fahantrana takalon’aina ny fiainanareo sy ny an’ny ankohonanareo. Sahia mandray andraikitra, manàna finoana fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto, ary raha misy ny olana dia tsarovy mandrakariva fa tsy maintsy misy ny vahaolana.

Ary miantso anareo zanaka, havana, mpiara-monina izay nania ka nanimba ny fiainan’ny hafa aho. Olombelona nomen’ Andriamanitra fanahy sy saina ianareo ka matahora sy matokia an’Andriamanitra.

Indreto izahay, Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Tsy misy ataonay zanak’ Ikalahafa, fa vary zato aharon’ny sompitra. Na midadasika aza i Madagasikara, tsy misy mafy tsy laitry ny zoto, koa voavanginay ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Hitanay fa manan-karem-pahasoavana ampy mizara ho antsika jiaby i Madagasikara, saingy mila fifampifehezana sy fahaiza-mitantana ary fahafoizan-tena mba hampirindra tsara ny tombontsoa iombonana.

Madagasikara, voalohany eran-tany amin’ny harena voajanahary. Madagasikara, Nosy lehibe sy malaza amin’ny fananantsika teny tokana, dia ny teny malagasy. Madagasikara, firenena modely aty Afrika ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa.

Zava-dehibe loatra ny fiandrianana sy ny firaisankinam-pirenena koa tandrovana toy ny anakandriamaso. Izany no toetsaina iatrehanay ny raharaha isan’andro eto amin’ity firenena ity.

Firenena manana ny maha-izy azy ny firenentsika. Hoporofointsika izany amin’ny famitantsika miaraka ny Rovan’i Manjakamiadana, mba tsy hitsanga-menatra intsony noho ny tantarany ny ankizy sy ny taranaka malagasy rahatrizay. Tsy izany ihany fa ireo vakoka rehetra manerana ny Nosy dia haverintsika amin’ny laonina avokoa. Koa aza matahotra fa minoa fotsiny ihany.

Isaorana be dia be ianareo izay efa nandray anjara sy ianareo izay mbola hitondra anjara biriky. Porofoy ny maha iray antsika Malagasy amin’ny fiaraha-mientana amin’ny fanarenana ny harem-bakoka ananantsika.

Fotoana fanaovana jery todika ihany koa anefa ny tonon-taona toy izao.

Nifanome toky isika fa hanangana FIRENENA VANONA. Tamin’izany dia noraisiko ho ohatra i Nehemia mpanangana trano, araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly. Raha hanangana trano lehibe sy tsara isika dia tsy maintsy atao lalina sy mafy ny fototra.

Nandritra ny taona 2002 sy 2003 ary 2004, ny asa nimasoan’ny Governemanta dia ny fametrahana ny fototry ny fampandrosoana an’i Madagasikara ho amin’ny ho avy.

Noho izany, nandritra ireo taona ireo dia nanao antso tamin’ny Vahoaka Malagasy aho mba hanana faharetana satria teo am-panaovana ny fototra isika.

Amin’izao fotoana izao kosa anefa dia hafa ny hafatro amin’ny vahoaka malagasy. Satria vitantsika tamin’iny taona 2005 iny ny asa fananganana ny fototra izay asa sarotra indrindra. Tonga amin’ny fananganana ny rindrina isika izao, dia ny fanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano koa dia mahereza fa hiasa miaraka isika.

Faly aho manambara fa mivoatra haingana ny firenentsika. Mahatsapa izany ny eny ambanivohitra. Mahita maso izany koa ny olon-tsotra. Resy lahatra izao tontolo izao fa tongotra mby an-dakana ny an-dRamalagasy eo amin’ny lafiny fampandrosoana.

Asavorovoron’ny rivotra samy hafa isika fa indreto eto ihany. Lambolamboin’ny mpamendrofendro fa tsy mitarain-tàna-miempaka. Ary iny taona 2005 iny dia voamarika manokana tamin’ny "stabilité politique" sy ny "bonne gouvernance". Ary dia hotohizantsika hatrany izany amin’ity taona vaovao ity, satria antoky ny fampandrosoana.

Tratra ny fanamby izay nataontsika. Mampitolagaga ny vokatra azo tamin’ireo sehatra natao laharam-pahamehana : ny lalana, ny fampianarana, ny fahasalamana ary indrindra ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra.

Voalohany, ny lalana. Tamin’ny taona 2005 dia lalana nasionaly mirefy 805 km no vita.

Lalana ambanivohitra mirefy 977 km no namboarina na narenina.

Tetezana goavana miisa 19 no voamboatra, ka anisan’izany ny tetezan’i Fatihita.

Lalana nasionaly mitotaly 7 200 km ihany koa no nokojakojaina.

Manome toky anareo aho fa hotohizantsika ny lalantsika.

Faharoa, ny fampianarana. Lazaina ombieny ombieny fa ny tanora no hoavin’ny firenena, kanefa tsy ho tanteraka mihitsy izany raha tsy misy fiheverana dieny izao ny momba azy ireo.

Goavana ny ezaka efa vitantsika nanatsarana ny rafi-pampianarana. Nanangana efitra fianarana miisa 1 800 manerana ny Nosy isika nandritra ny taona 2005.

Raha 67 isan-jato ny salan’isan’ny zaza niditra an-tsekoly tamin’ny taona 2003, dia tafakatra mihoatra ny 90 isan-jato izany ankehitriny. Mpianatra 2 400 000 no nizarana "kits scolaires" nandritra ny taom-pianarana 2004 sy 2005.

Fahatelo, ny fahasalamana. Toeram-pitsaboana vaovao 61 no naorina ary 195 no navaozina. 80 isan-jaton’ny tena mahantra no mahazo fisaboana maimaimpoana.

Fahaefatra, ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra. Taona zina iny taona 2005 iny satria niasa niaraka isika. Maro ireo foto-drafitrasa voatsangana, ohatra, ny fanamboarana tohodrano miisa 100 sy tambazotra mirefy 1 700 km, izay nahafahana nanondraka velaran-tany mirefy valo arivo sy valo alina (88 000) hektara.

Nitombo 14 % ny voka-bary. Niezaka ny tantsaha. Tsara ny vidim-bokatra.

Nanome ohatra tsara ny fahavitan’ny "Vitrine de Madagascar" izay nosantarintsika teny Iavoloha. Hanao fambolena midadasika sy manara-penitra isika iatrehana ny fifaninanana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanondrana vary any ivelany no tanjona amin’izany.

Mendri-piderana ny tantsaha manerana ny Nosy. Ombivavy be ronona miisa 915 no nafarana.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana !

Ny fahendrenao, ny fahavononanao ary ny faharetanao dia mampiaiky volana izao tontolo izao, ka nanapa-kevitra izy ireo nanafoana tsy misy fepetra ny trosa izay nitambesatra tamin’ny firenena malagasy nandritra ny taona maro.

Nody ventiny ny rano nantsakaina koa arahabaina fa afa-trosa isika Malagasy ankehitriny.

Porofo mitohoka amin’ny tendany izany fa mihamafy hatrany ny fifampitokisana misy amin’izy ireo.

Isaorana, noho izany, ireo firenena rehetra sy mpamatsy vola ary Tahirim-bola iraisam-pirenena nanafoana ny trosany tamin’i Madagasikara.

Vokatr’izany, hanana fahafahana malalaka isika ankehitriny hamolavola ny paikady sy handray an-tanana ny fampandrosoana haingana ny firenentsika.

Koa mampahery ny Vahoaka Malagasy rehetra aho mba hiezaka amin’ny sehatra misy azy avy ho fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara.

Nihoatra ny 5 isan-jato ny fitombon’ny harin-karena faobe nandritra ny telo taona nisesy izay. Koa dia rariny sy hitsiny ny maminavina ny fanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano, ary tsy ho adino amin’izany ny mpiasam-panjakana.

Isika izao, toy ny vatolampy nanasan-dandy : ny lavenona lasan’ny rano, ny landy nentin’ny tompony, fa ny vato mbola eo ihany. Izahay tsy mivadika amin’ny teny nomena. Ianareo tsy midila ny velirano nifanaovana.

Lehibe ny fitahian’ Andriamanitra ity firenentsika ity. Azo tsapain-tanana izany, amin’ireo zava-niseho nandritra ny taona 2005. Koa isaorana anie Andriamanitra Andriananahary. Ary dia mangataka ny fitahiany tsy manam-pitsaharana hirotsaka amin’ny firenentsika sy izao tontolo izao amin’ny taona 2006.

Homba antsika anie Andriamanitra !

Marc Ravalomanana

Filoham-pirenena malagasy