ARAHABA RY’LAY NOHASOAVINA…
ARAHABA NAHATRATRA NY KRISMASY na NOELY 2006
ARAHABA NAHATRATRA NY TAONA  2007
------***------

Afaka andro vitsivitsy dia higadona ny NOELY 2006 ary efa mitsidika ihany koa ny taona vaovao 2007.

Amim-pifaliana no andefasanay ny Fiarahabana sy ny Firariantsoa ho anareo Mpiray Tanindrazana rehetra, tsy ankanavaka, monina  na sendra mandalo eto Allemagne, any Autriche, Danemark, Suède, Finlande Norvège ary Islande.

Ho taona zina ho an’ny Firenentsika sy ny isan-tokantrano anie ny Taona Vaovao, izay hotsenaintsika tsy ho ela, ary ho ravantsika ny efitrefitra mety mampisaraka. Fa kosa hilofo isika tsirairay avy hampiroborobo ny fitiavantsika ny Tanindrazana Iombonana amin’ny alalan’ny firahalahiana tanteraka sy ny fifanomezan-tanana.

Koa ho fandraisantsika ny taona vaovao, dia voninahitra ho an’ny Masoivohon’i Madagasikara sy fifaliana ho antsika jiaby ny manasa anareo hiara-hidera an’Andriamanitra sy hisaotra azy amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ekiomenika

  • Izay ho tanterahina ny Alahady faha-28 Janoary 2007 amin’ny 1 Ora tolakandro
  • Ao amin’ny Fiangonana, C Campus- Berlin Tegel Waidmmannsluster Damm 7 C-E 13507 Berlin (U-Bahn U6 Alt Tegel, mandeha tongotra 10 minitra na mandray Bus 124, 125, 133, 222 dia miala amin’ny fijanonana voalohany “An der Muller” mahatazana Supermarché LIDL. Misy fiakarana kely mitondra mankany amin’ny Fiangonana), na jereo ao amin’ny www.gadw.org/index.php →Wegweiser

Aorian’ny fiaraha-mivavaka, izay hotarihan’ireo Ray aman-dReny ampanahy, dia hisy fiaraha-misakafo (eo an-toerana ihany). Samy hivimbina sakafo isika ary hiarahantsika mizara, satria isika mianakavy tsy an-kanavaka no mifanpizara fifaliana sy tsodrano. Ny hirahira , ny dinidiniky ny mpianakavy ary ireo talenta samihafa no hanafana ny fotoana. Samy hiomana amin’izany isika.

Dia mirary KRISMASY SAMBATRA ho anareo izahay ary manantena ny fahatongavantsika maro. Aoka samy hifampilaza.

Misaotra tompoko

Falkensee faha 17 Desambra 2006

RALISON Alphonse
Ambasadaoro
Raha mila fanazavana fanampiny, antsoy ny Tel.: +49/3322 23 14 21 Fax: +49/3322 23 14 29